Haikanton’ny ankehitriny: hotokanana ny trano vaovaon’ ny Fondation H

Manohana amin’ny fampivelarana ny mpanakanto sy ny zavakanto malagasy ny Fondation H. Misongadina ao anatin’izany ny kanton’ny ankehitriny. Fantatra fa mampitombo ny sehatra ivelarany amin’io andraikitra iantsorohany io ry zareo.

Rehefa nohavaozina sy nasiam-panamboarana tao anatin’ny roa ta­o­na… Hotokanana ny 28 avrily 2023 izao, ny trano vaovaon’ny Fondation H, etsy Am­ba­to­mena. Mahatratra hatrany amin’ny 1500m² ny velarana manontolo ka ny 900m² amin’ io no toerana fanatanterahana fampirantiana. Hisy koa ny efitrano famakiam-boky izay hirakitra ny tontolon’ny haikanton’ny ankehitriny. Efi­trano ahafahana manatontosa atrikasa isan-karazany ho an’ireo mpanakanto voatendry hanatrika izany mba hanamora ny asa famoronana sy fikarohana ataony. Anisan’ny mampiavaka ity toerana ity ihany koa ny fananany habaka ho an’y fifanakalozana sy fandraisana tarika na mpanakanto maro. Ahitana toeram-pisakafoana sy efitrano afaka mandray mpanakanto na olona hitondra fiofanana. Ahataza­nana ireo karazan-javatra tsy fahita sady mampiavaka an’i Madagasikara amin’ny firenen-kafa ny ivelan’ny trano. Anisan’ireo toerana tafiditra afovoan’Antananarivo Reni­vo­hi­tra ity trano vaovaon’ny Fondation H ity. Tany amin’ ny voalohandohan’ny taonjato faha-XX ny nanorenana azy ka ny foiben’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra no nampiasa azy tamin’izany. Ny Architecture Otmar Dodel sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky eto an-toerana no na­natanteraka ny fanavaozana.
Tao anatin’izay enin-taona niorenany teto Antananarivo sy any Paris izay, nahatratra ha­trany amin’ny 30 ny fampirantiana nokarakarain’ny Fon­da­tion H. Teo ihany koa ny «Prix Paritana» nahitana m­pan­dresy miisa 6 sy 12 «vice-lauréats». 70 ora nanofanana ireo mpanakanto nandritra ity taona 2022 ity. Nihoatra ny 50 ny kaoferansa niantsoana mpanakanto maro. Ho an’ny taona 2022 ihany, nahatratra 1000 ireo ankizy nandray anjara tamin’ny atrikasa «Hay», 20. 000 kosa ny mpitsidika ny fampirantiana teto Anta­na­narivo sy tany Paris.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: