Niakatra fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny alarobia 7 desambra 2022 teo, ny antontan-taratasin’ady laharana faha 115-Toa/22-3062-RP/21 nahavoarohirohy an’i Siza José sy ny namany. Tsy niatrika ny fotoam-pitsarana i Siza José raha nahazo fahafahana vonjimaika ireo namany roa lahy. Raha hiverenana ity raharaha ity, voampanga ho nandratra raim-pianakaviana iray mpamily bajaj izy telo lahy, ny 3 septambra 2021, sady nangalatra ny bajaj nentiny. Nandritra ny famakiana ny antontan-taratasin’ady no nahafantarana fa teo anoloan’ny toeram-pandihizana iray ao Ankirihiry akaikin’ ny bazary may i Kalema sy Siza José tamin’io 3 septambra 2021 io tamin’ny misasakalina. Nilaza izy ireo fa ho any Mangarivotra Atsimo ary nifanaraka tamin’ny saran-dalana. Nokendain’izy roa lahy anefa ilay mpamily raha iny niditra ny lalam-pasika ka natsipy nivoaka ilay bajaj. Afa-nitsoaka sy nanavotr’aina ihany ilay niharam-boina ka nampandre ny mpampiasa azy. Hita tao amin’ny garazy iray ao Morarano ilay bajaj rehefa nandeha ny fikarohana nataon’ny polisy. Noraisim-potsiny raha nikasa haka azy tao amin’ny garazy i Siza José raha tafaporitsaka kosa i Kalemba.
Sajo/J.C