Vitsivisy ireo efitrano filanonana mandray ny fetin’ny faran’ny taona tamin’ity taona ity. Mbola matahotra ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 ireo mpikarakara lanonana sy tompon’ireny trano fanaovam-pety ireny.
Niakatra rahateo ny vidin-javatra rehetra, tsy maintsy hiakatra torak’izany ny vidim-pidirana ka manahy ny tsy fahafahan’ ny olona ny mpikarakara. Mbola maro ny olona tsy tafarina tao anatin’izay roa taona nisian’ny aretina izay, raha ny fanazavan’ ny mpandraharaha anisan’ny nanapa-kevitra ny tsy hikarakara lanonana mihitsy. Mafy rahateo ny fiainana ka hanano-sarotra ny handresy lahatra olona handany volabe anatin’ny alina iray izany. Miaina amin’ny fandraisana mariazy sy fety aman-danonana mahazatra izay voaoman’ny mpikarakara kosa ireo tompona toeram-pilanonana.
Na izany aza, izay mahasahy maty mifono lambamena. Misy ihany ireo toeram-pilanonana vitsivitsy mikarakara ny fetin’ny faran’ny taona. Manodidina ny 100.000 Ar hatramin’ny 200.000 Ar ny fidirana amin’izany. Hanim-pitoloha, mozika sy hira miaraka amina mpanakanto ary fisotroana handaniana ny alina hiandrasana ny taom-baovao no tolotra ao anatin’izany.
Roa taona nisesy, tsy afaka nankalaza ny faran’ny taona an-kalalahana fa tanaty arovava orona ary voafetra ny olona. Fotoana izao hanomezana fahafaham-po ny mpankafy fety aman-danonana ka izany indrindra no nanaovana ny ezaka, hoy ny mpikarakara.
Tatiana A