Namearison Robert : “Tokony handeha ny fifidianana na misy na tsia ny vola”

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena, hanao ahoana ny fanomanana ny fifidianana? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Tokony handeha ny fifidianana eto Madagasikara na misy na tsia ny vola.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitan’ny KMF/Cnoe ny fanisana mpifidy amin’izao sy ny lesoka amin’izany?

Namearison Robert (-): Raha ny vinavina, tsy mbola mihoatra ny 50% izany. Mbola mandeha ny fanaraha-maso izao ary hanao tatitra izahay. Ny soso-kevitray: tsara tohizana amin’ny fiantombohan’ny taona ny fanisana mpifidy. Mila fanitsiana ny didim-panjakana ma­nainga ny olom-pirenena hi­soratra anarana izany. Tanjona ny mba ho voasoratra anarana avokoa ny olom-pirenena. Ny fantatra: ao ny kartie misy namana KMF/ Cnoe, ohatra, tsy mbola nandalovan’ny mpanisa mpifidy. Misy izany tsy mitety tokantrano, fa ny mpifidy no mankany aminy. Mila hatsaraina izay fomba fiasa izay. Ny fahatarana tamin’ny fanombohana ny fanisana mpifidy no nitarika izao… Eo koa ny toe-tsain’ny olom-pirenena miandry ora farany, tsara koa raha tsy miandry ny mpanisa mpifidy fa manatona eo anivon’ny fokontany.

* Inona ny antoka hampizotra sy hampilamina tsa­ra ny fifidianana?

– Tsy misy afa-tsy ny fananana lisi-pifidianana eken’ny rehetra. Manaraka, ny fanatsarana na fampifanarahana amin’ny zava-misy ny lalàm-pifidianana. Inona, ohatra, no mbola ilàna kara-pifidianana? Izay indraindray no mahatonga ny any ambanivohitra tsy mandeha mifidy, satria tsy tonga eny aminy izany. Kara-panondro ihany dia atao ampy entina mifidy.
Ny And. 154 amin’ny lalàm-pifidianana milaza fa tsy maintsy mitondra kara-panondro sy kara-pifidianana. Ny And. 49 indray hoe afa-manao fanambarana izay very kara-pifidianana ary afa-mampiasa ny fanambaram-pahaverezana. Ny And. 50 milaza fa na tsy nahazo fanambaram-pahaverezana kara-pifidianana aza ny mpifidy, afa-mampiasa ny taratasy avy any amin’ny lehibem-pokontany miaraka amin’ny kara-panondro. Noho izany, ny lalàna dia efa milaza fa afa-mifidy na tsy manana kara-pifidianana aza. Na 5 Ar aza, ohatra, ny kara-pifidianana, volabe no very amin’izany.

* Ny fahitan’ny KMF/ Cnoe ny toe-draharaham-pirenena amin’izao?
– Tsy fady fa zon’ny depiote ny manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta, zony koa ny tsy mifidy izany na mipetraka aza. Heverina ho toy tsy misy ny fitsipaham-pitokisana raha mbola tsy lany. Noho izany, tokony handeha ny fiainam-pirenena. Nefa mandeha ny resaka fa hoe efa toy ny tsy misy ny governemanta amin’izao. Tena tombontsoam-bahoaka ve no nahatonga ireo depiote nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta sa tombontsoa ny maha depiote azy? Mahasoa ny firenena ve raha tsy mifidy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ohatra, izy ireo?

Hafatry ny KMF/Cnoe ho an’ny vahoaka malagasy: jereo ny fihetsik’ireo mpanao politika. Hanomboka ny fifidianana amin’ny taona ho avy, ka tsarao izy ireo: aza mifidy intsony izay tsy mahafa-po ny tena. Tsy manaiky ny hisian’ny tetezamita na fanalavana ny fe-potoam-piasan’ny mpanao politika mahazo fitondrana ny KMF/Cnoe. Tokony handeha ny fifidianana eto Madagasikara na misy na tsia ny vola, ary tokony ho tompon’andraikitra amin’ny firosoan’izay fifidianana izay ny mpanao politika.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: