Hisy tetikasa andrana dimy iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo iarahana amin’ny fikambanana Big Win Philanthropy eto amintsika.
Nosokajian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny fikambanana Big Win Philanthropy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ny filoha lefitry ny BAD, Marie-Laure Akin-Olugbade sy ny filoha mpitarika ny fikambanana amerikanina Big Win Philanthropy, Jamie Cooper, ny talata lasa teo, tany Washington. Ny fahitan’izy ireo ny ezaka lehibe misongadina ataon’ny filoha malagasy momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy no nitarika ny fanapahan-kevitra, araka ny fanazavana. Anisan’ izany ny nananganana ny orinasa mpamokatra fanampin-tsakafo be otrikaina ho an’ny mpianatra, Nutrisud, miaraka amin’ny fikambanana Fitia tarihin’ny filohany, Rajoelina Mialy. Teo koa ny fanaovana ny tetikasa «Titre vert» ho an’ny fianakaviana tena marefo hanomezan’ny fanjakana tany sy fitaovana ary biby fiompy, ahafahan’izy ireo manangana fihariana. 2 000 ny fianakaviana efa misitraka izany ankehitriny. Efa manao ezaka goavana ny fitondram-panjakana mamaha ny olan’ny rano any Atsimo amin’ny alalan’ny fananganana ny fantson-drano lehibe mirefy 92km miainga ao Efaho hatrany Ambovombe Androy.
Filoham-pirenena afrikanina fahenina hitana io andraikitra io manerana an’i Afrika ny filoha malagasy. Nanambara ny filohan’ny Big Win Philanthropy fa hanampy ny filoha Rajoelina amin’ireo tetikasa hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo manerana ny Nosy. Faritra dimy manana olana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo no hosafidiana hanaovana tetikasa andrana aty am-piandohana.
Vonjy A.