Herinandro farany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny taranja baolina kitra isika. Betsaka ny voka-dalao tsy nampoizina hatrany am-boalohany, indrindra ho an’ny ekipa tsy nampidirina tany anaty lisitr’ireo sangany sy noheverina ho loha-laharana. Azo lazaina fa tomombana ny fanomanana tao Qatar, na betsaka azy ny kiana sy ny fanenjehana mialoha ny lalao. Hatramin’izao tsy nahitana vaovao hafahafa mety niteraka lonilony izany. Tsy araka ny niheverana azy aza! Maro ny andriambavilanitra afaka nanao fitafy” tandrefana”. Maro ny nampideradera bika sy jejojejo tamin’ny pataloha manara-batana sy ny ambonin’akanjo mampiseho tratra sy foitra teny amin’ny toeran’ny mpijery.
Inona moa no iresahana izany? Tiana hitaritana ny saintsika mianakavy, hahay hijery hatrany ny odidina misy na amin’ny fotoana na toerana misy antsika tsirairay izany. Indrindra ankehitriny, manomboka miakatra kianja, ny mpifanandrina politika eto amin’ny tanana. Samy manao be fiavy, miseho be vovokaina sy mahafehy ilay taranja avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Ny mpilalao anatin’ny ekipa tompon-tanana dia samy tsy misy manaiky lembenana manomboka any amin’ny lohalaharana. Mifandandaka sy mifamingampingana ary mifamely fantsy amin’ny fihetsika sy ny fiteny. Tonga hatrany amin’ny saika fahatapahan’ny fifandraisan’ny mpiray ekipa.
Ny mpilalao eny afovoan’ny kianja, ireto milaza ho mpanohana mahafatra-po, tsy hita izay hilazana azy. Mbetika miara-mirona any amin’ny fanafihana, mbetika miverina ho vody laharana kanefa samy tsy misy mahatafiditra baolina any anaty harato. Toa maika aza manome vahana ny mpifanandrina, ka mitady hampiditra ny baolina any amin’ny tsato-by an’ny tena indray.
Mampanahy ny paikady teknika sy taktika, itondran’ny mpanazatra azy. Mivoaka miditra amin’ny toro-marika homena ny mpilalao. Tsy hananan-tsafidy ny toro-marika homeny fa masina. Tsy misy mpanazatra azo iadian-kevitra izay rahateo moa eny ambony kianja. Na asainy dakana mandrivorivo aza ny baolina ka misavoana any ambony tsivalan-kazo, dia efa izy izay! Tsy misy iraharahiany izay baolina maty na tsia, ampy ho azy ny fanarahana ny teniny, satria mifanaraka amin’ny tombontsoany.
Tsy hay hoe hatraiza aloha hatreto ny ho fiafaran’ny lalao, satria vao nanomboka naneno ny kiririoka dia efa nahazo toro-marika ny mpitsara. Tsy afa-miala amin’ny tompom-pahefana satria voasaringotr’ilay manontolo lehibe an’ny henjana sy ny matanjaka. Asa na ho vita anatin’ny fe-potoana ara-dalana izy ity na mety hisy ny fanalavam-potoana. Mety ho daka penalty ihany koa anefa, ho tsotsoro-mamba hisarahan’ny rehetra!
Aorian’ny fety isika mahita izy satria miditra amin’ny fotoam-pialan-tsaratra ny mpilalao. Miezaka ny mifampitony ny tsirairay. Samy miandry ny fizaram-potoana manaraka!
r.r