Voararan’ny lalàna velona ny fivarotana basy tsy misy taratasy. Tamin’ity indray mitoraka ity, tra-tehaky ny zandary ny enin-dahy saika hivarotra izany an-tsokosoko tao Vondrozo. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina ireo jiolahy, ny asabotsy lasa teo. Tsiahivina fa naharay vaovao momba ity raharaha ity ny zandary avy ao Vondrozo, herinandro vitsy lasa izay. Araka izany, natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo minia manao izany. Vokany, voasambotra avokoa ireo lehilahy voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Fantatra tamin’izay fa tsy nisy taratasy ilay basy nokasaina hamidy ka nogiazana avy hatrany. Aorian’ny famotorana, hiakatra fampanoavana izy enin-dahy ireto.
Marihina fa isan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo ny varotra basy tsy ara-dalàna. Mazàna vidian’ireo dahalo mpanao fanafihana izany ary entiny hanaovany ny asa ratsiny sy hamonoana olona. Ankoatra izay, misy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana izay handraisana sy hanaterana ireny basy tsy ara-dalàna ireny eny amin’izy ireo. Tsy samborina na koa voasazy ireo manatitra izany eny amin’ny biraon’ny zandarimaria.
Henintsoa H.