Bemiray: fampahafantarana ny fihetsika ara-pahasalamana 21

21 ny fihetsika ara-pahasalamana tsotra azo isorohana ny aretina amin’ny andavanandro. Efa novolavolaina ny taona 2019 ny paikady nasionaly amin’ny fanovana ny fitondran-tena hifanaraka amin’ny fahasalamana niarahan’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka. Nampa­ha­fantarina ny vahoaka teny amin’ny tokotanin’ny Gara Soarano ireo fihetsika fototra ara-pahasalamana 21 tokony hananan’ny rehetra, nandritra ny roa andro izay nifarana omaly, nomena ny anarana hetsika “Bemiray”. Miom­pana amin’ny fampiasana rano madio, fahadiovana -fidiovana, fanaovam-baksiny ny ankizy, fampiasana lay, fisafoana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, fandrindram-piterahana, ady amin’ny fisotroana toaka sy fifohana sigara…
Rehefa mitambatra ireo singa maromaro ireo dia hi­tondra fanovana ny lafiny sosialy sy ny fitondran-tena eo amin’ny mponina, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana, Randriatsarafara Fi­diniaina, nandritra ny fanamarihana ny hetsika, omaly.
Ankoatra ny fampahafantarana ireo fihetsika 21 ireo, nisy tolotra ara-pahasalamana samihafa ho an’ireo mpitsidika rehetra. Fijerena ny tosidra sy ny tahan’ny siramamy, fanaovana vaksiny, torohevitra ho an’ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora, fanomezan-dra…
Nilaharana avokoa ny tranoheva nanome tolotra tao anatin’ny roa andro satria maro no tsy manana fahefana ara-bola hanatona mpitsabo.
Hitohy eny amin’ny CSB rehetra ny hetsika “Bemiray” ka hiova isam-bolana ny fampahafantarana fihetsika ara-pahasalamana ho an’ny mponina.

Vonjy A.

Partager sur: