Hanome sehatra ny tanora tsy an’asa, tontosa tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa CT Motors sy ny banky Baobab Madagasikara mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampindramam-bola ho an’ny mpanjifa, omaly. Hahazo tombontsoa amin’izany ireo maniry hividy fitaovam-pitaterana ao amin’ny orinasa CT Motors satria afaka mindram-bola mivantana amin’ny Baobab. “Nosantarina andro vitsy tany Nosy Be Hell-ville ity fiaraha-miasa amin’ny Baobab ity”, hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny CT Motors, Tahora. Mahasarika ny mpanjifa sady fitaovana be mpampiasa indrindra ao an-toerana ny Tuc-Tuc ka nomena sehatra hisitraka izany ireo tanora.“Nomen-danja amin’
izao fanombohan’ny fiaraha-miasa izao ny tanora mpandraharaha”, hoy ny eo anivon’ny banky Baobab. Iray tapitrisa Ar ny vola aloan’ny mpanjifa voalohany. Afaka mamerina ny vidin’ny fitaovana anatin’ny telo hatramin’ny 30 volana araka ny fahafahany izy ireo aorian’io. Tsy mijanona amin’ny Tuc-Tuc, hivelatra amin’ny sarangan’olona rehetra maniry hanana bisikleta, moto hatramin’ny fiara ity tetikasa hiarahan’ny CT Motors sy ny Baobab ity, atsy ho atsy.
Tsiferana R.