Filaminana mitaky fitoniana

Tsy mbola milamina tanteraka ny raharaha politika eto amin’ny firenena. Niaraha-nahita, omaly, fa nametraka taratasy fangatahana ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny firenena tsara tantana, momba ilay fitsipaham-pitokisana. Andrasan’ny mpanara-baovao sy ny sarambabem-bahoaka ny ho tohin’izany. Indrindra fa mipoitra tsikelikely ny ao ambadiky ny fametrahana ilay antontan-taratasy sy ny fisintonana tampoka ny ampitson’iny.
Etsy ankilan’izay, heverina fa misy ifandraisany betsaka amin’ny tontolo politika ny firongatry ny tsy fandriampa­halemana. Manao ny ataony ny olon-dratsy. Tsy misy faritra, tsy ahazoana tatitra isan’andro amin’ny tsy asa ratsy isan-karazany sy ny fandikan-dalàna amin’ny endriny samihafa. Saika manerana ny Nosy no misy trangam-piarahamonina, amoizana ain’olona na fananana anatin’ny indray mipi-maso. Lasibatra ny tokantrano maro, sasatra ny miarina ny ankamaroan’ny olona voatafika na voaroba. Tsy mba aman’arivony na aman’alina ny vola voaroba fa tena anjatony tapitrisa Ariary. Volabe tsy hita noanoa ! mampalahelo ny fahaverezana.
Eto anefa, tiana hanipazana teny amin’ny tsirairay, na an-tanàn-dehibe na ambanivolo. Mila malina sy mitandrina hatrany. Miainga avy amin’ny isam-batan’olona sy ny ankohonana ny fiarovana ny aina sy ny fananana. Anisan’ireny ny fandraisana fepetra amin’ny tsy fitehirizana vola an-trano. Mahavariana ny mahita sokajin’olona mikirakira volabe avy eo lasan’ny mpangalatra hatramin’ny gony fitehirizana azy. Amin’ny tranga tahaka itony, tompon’antoka matetika ary atidoha mikotrika ny fandrobana, na mpanome antsipiriham-baovao ny olona akaiky ny tompom-bola ihany. Manamarina izany ny fandrobana olona roa hanao « versement », voaroba tanaty taxi-be. Zava-nisy tao Toamasina, vao afakomaly antoandro, 900 tapitrisa be izao no voalaza fa lasan’ny jiolahy tao an-trano. Tany Voandrozo, vola tapa-gony noraofin’ny jiolahy ny fiandohan’ity herinandro ity. Santionany ireo fa ny tsy fantatsika any ambany ravinahitra rehetra any, mbola baraingo.
Na izany na tsy izany, manana adidy goavana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fampiharana ny lalàna ny mpitandro filaminana. Tompon’andraikitra feno amin’ny zava-misy izy ireo. Tsy ny fanenjehana ny olon-dratsy ihany ny iraka voafaritry ny lalàna fa ny fisorohana sy ny fanentanana ny tsirairay ihany. Indrokely, voafetra ihany ny fahafahany manao izany, noho ny hoenti-manana. Sady tsy ampy ny vola, no tsy ampy ny olona kanefa ilay Madagasikara midadasika.
Maro, araka izany, ny antony mahatonga ny tsy filaminana eto amin’ny firenena saingy mitaky andraikitra avy amin’ny tsirairay izany. Ilaina ny fitoniana politika sy ny tongotra miara-mamindra avy amintsika vahoaka malagasy tsy vaky volo.

r.r

Partager sur: