“Heverinay fa ilaina alohan’ny fifidianana ny fanorenana ifotony, ilaina mandritra ny fifidianana, ary mbola ilaina rehefa vita ny fifidianana. Satria fanarenana sy fanavotana ny firenena no tadiavina”, hoy ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony (Hiffim), Andriamiseza Alain, momba ny fikaonandoha karakarain’izy ireo nandritra ny roa andro teny Andrefan’Ambohijanahary.
Tsy maintsy misy vontoatin-kevitra mivoaka amin’ny fikaonandoha momba ny lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana… Any amin’ny vahoaka ny hery mpanatanteraka. Tonga ho azy eo ny vahoaka rehefa tsapany fa io ny lalana mety, araka ny fanazavany. Izay fehinkevitra mankany amin’ny fampandrosoana sy mahatsara ny fiainan’ny Malagasy no atao. Nantsoin-dry zareo tamin’izany avokoa na ny avy amin’ny mpanohitra na ny avy any amin’ny fitondram-panjakana. Izay tonga, tonga… Fa tsy maintsy mandeha hatrany ny raharaham-pirenena.
“Tsy maintsy fonosin’ny fampihavanam-pirenena sy ny firaisankinan’ny Malagasy ny fanorenana ifotony”, hoy izy. Novoasana tao anatin’ny fikaonandoha ireo rehetra tokony hojerena amin’izany. Ny lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, ary ireo zavatra tena maharary sy ny laharam-pahamehana tsy maintsy atomboka haingana noho ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka.
R. Nd.