Lalan-dririnina : mpangarom-paosy telo tratra

Voasambotry ny polisy any Antsirabe ireo mpangarom-paosy telo lahy ny alahady teo. Anisan’ny toerana malaza amin’ny fisian’ny fangaronam-paosy sy fanendahana Antsira­be, raha ny tatitra voaray. Ton­ga nitaraina teny anivon’ny polisy ny kaomitin’ny tsena any an-teorana sy ireo lasibatr’izany asa ratsy izany, hoy ny polisy. Tsy sahy miteny ireo voaendaka satria matahotra ny hovonoin-dry zareo. Nidina ifotony avy hatrany ireo poli­sin’ny UIR any an-toerana nanao ny fikarohana. Nifanena tamina roa lahy avy nangalatra tao Ambavahadiman­ga­tsiaka izy ireo, tamin’izany. Nandosi­tra avy hatrany ry zalahy rehefa nahita ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta ka voasambotra izy ireo. Nohadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy ka voampanga ho anisan’ny andian-jiolahy mpa­nendaka sy mpangarom-paosy eo amin’ny tanàna. Tsiahi­vina fa efa notazonina tao amin’ny kaomisarian’ny polisy i Eric, iray tamin’ireto tontakely ireto talohan’izao. Niverina nanohy ny asa ratsy niaraka tamin’ity namany ity indray anefa izy, rehefa navoakan’ny polisy.
Ankoatr’io, jiolahy iray hafa tratra nangarom-paosy Ramatoa iray teny Andrefan­tsena, ny alahady maraina ihany. Vaoendaka teny ambony “cyclo-pousse” ity ramatoa ity ka very tamin’izany ny finday. Tonga teny an-toerana nisava ny manodidina ny polisin’ny UIR, ka tratra tany amin’ity tovolahy nampiahiahy ity ny finday. Nafenin’ilay jiolahy tany anaty kilaotiny ny finday nangalariny. Naidi­tra am-ponja von­jimaika izy telo lahy ireo rehefa avy no­hadihadian’ny polisy tany Antsi­rabe. Mitohy hatrany ny fiarovana ny va­hoaka amin’ny asan-jiolahy, hoy ny avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Antsi­rabe. Mila mailo hatrany ny tsirairay amin’izao akaiky fety izao, araka ny fanazavana hatrany.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: