Tetikasa PAAEP : olona 3.423.000 hahazo rano fisotro

Nisokatra, omaly, ny atrikasa mikasika ny tetikasa Fanatsarana ny rano fisotro madio (PAAEP). Nitarika iza­ny ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidi­niavo, notronin’ny tompon’andraikitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), miasa eto amintsika, Rtoa Uwanyiligira Marie-Chantal. Teo koa ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy ny avy any amin’ny farita.
Tohin’ny fifanarahana na­tao sonia ny jona 2022 ity atrikasa ity. Tanjona voasoritra ao anatin’ny PAAEP ny hisitrahan’ny olona miisa 3.423.000 rano fisotro madio, sy fotodrafitrasa mikasika ny fanadiovana. Voakasik’izany ny eto Antananarivo Renivohitra, Antsiranana, Mahajanga, An­tsirabe, Fianarantsoa, Mana­kara, Mananjary. Maharitra dimy taona ny tetikasa.

Tobim-pahasalamana sy sekoly
Isan’ny tsinjovina manokana ny tobim-pahasalamana, ny sekoly, ny mponina marefo ara-pivelomana. Noresahina nandritra ny atrikasa ny singa fototry ny tetikasa, hanatsarana ny lafiny rano, fahadiovana sy fidiovana eny amin’ireo fotodrafitrasam-panjakana ireo. Hahazo tohana amin’ity PAAEP ity ny minisitera MEAH, hanatsarana ny traikefany amin’ny lafiny fitantanana, ny fandrindrana ary ny famaritana ny tetikasa. Afaka misitraka aminy koa ny orinasa Jirama, ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana samihafa.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano 2, «rano ho an’ny reheta», ny tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena toy izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: