Tetikasa PPAB 3 : hanatsara ny toeram-ponenana tsizarizary

Miaina anaty trano fonenana tsizarizary ny fokontany miisa 134 amin’ireo 192 eto Antananarivo Renivohitra. Misy ny Fandaharanasa fanamafisana ny toeram-ponenana tsizarizary andiany fahatelo (PPAB 3), natao tamin’ny fokontany efatra, ny eny Ma­narintsoa afovoany sy Atsi­nanana, Manarintsoa Anati­hazo ary Andavamamba Anatihazo I.
Natao, omaly, ny atrikasa hanamafisana ny PPAB 3. Nanatontosa azy ny Sekre­teram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), izay notohanan’ny vaomiera eoropeanina ONU Habitat. Naravona ny zava-bita sy ireo soso-kevitra entina mampandroso ny asa, nandraisan’ny mpisehatra rehetra anjara hanohizana ny efa natao. Marihina fa mandray anjara mivantana ny fokontany na ny rafitra fahadiovana sy fidiovana (RF2).
Nosafidiana manokana ireo fokontany efatra ireo, satria nahafeno ny fepetra. Toy ny fahakelezan’ny toerana honenana, ny tsy fisitrahana rano fisotro madio, ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa fidiovana manara-penitra, ary ny tsy fananana trano fonenana maharitra.
Efa vita ny 95%-n’ny asa amin’ny PPAB 3. Nilaza Ran­driamanantena Mamitiana J.R., sefo fokontany Mana­rintsoa, fa “maro ny zava-bita, toy ny biraom- pokontany roa, ny fanentanana ny mponina hikojakoja ny fotodrafitrasa natao ary ny fanovana toe-tsaina”.
Nanomboka ny taona 2008 ny PPAB, ary nahatratra 600.000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny vaomiera eoropeanina ONU Habitat.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: