Maloto ny rivotra iainana eto Madagasikara. Miteraka voka-dratsy ara-pahasalamana izany ary mamono olona mihitsy. Misy ny fiaraha-miasan’ny Amerikanina sy ny manam-pahaizana malagasy amin’ny fitadiavana vahaolana.
Nisy ny fanaraha-maso nitety vohitra ny kalitaon’ny rivotra iainana nataona ekipana manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny zon’olombelona notanterahina ny 25 novambra hatramin’ny 8 desambra lasa teo, teto Antananarivo hatrany Taolagnaro.
Fantatra fa efa ho Malagasy iray ao anatin’ny telo no maty aloha loatra noho ny loton’ny rivotra iainana. Mampitombo ny tahan’ny aretina sy fahafatesana eto an-toerana ny fiainana anaty rivotra, rano ary tany maloto, araka ny voafaritra ao anatin’ny drafitrasan’i Madagasikara momba ny fahasalamana sy ny fahalotoan’ny rivotra iainana.
Manampy an’i Madagasikara hamantatra kokoa ireo endrika isehoan’ny fahalotoan’ny rivotra iainana sy ny ambana aterak’izany manerana ny Nosy ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny governemanta amerikanina.
Ny Dr. Linda Geiser avy amin’ny sampandraharaha amerikanina misahana ny ala sy ny Dr. Lova Marline avy amin’ny fikambanana Vahatra – Kew Madagascar Conservation Center no nitarika ny fanaraha-maso natao teto Antananarivo hatrany Taolagnaro.
Nampirisika ireo olom-pirenena siantifika mba handrefy ny loton’ny rivotra iainana ary koa ireo fokonolona sy oniversite mba handray anjara amin’ny ezaka fanaraha-maso ny kalitaon’ny rivotra.
Nampiasaina ny fitaovam-pandrefesana
Nitondra fitaovam-pandrefesana ny kalitaon’ny rivotra, napetraka teo ambony tafon’ny fiara nentiny ny ekipa nahafahany nandrefy ny kalitaon’ny rivotra tamin’ireo faritra nolalovany niainga teto Antananarivo ka hatrany Fianarantsoa, ary nanaraka ny morontsirak’i Mananjary ka hatrany Taolagnaro. Norefesin’izy ireo ihany koa ny kalitaon’ny rivotra ao anatin’ny faritr’ala ao Ranomafana sy Manombo ary Nahampoana.
Mitsidika an’i Madagasikara i Dr. Geiser mba hiara-hiasa amin’ireo manam-pahaizana malagasy manokana toa an’i Zo Rakotomavo, mpamantatra ny toetry ny andro, sy Dr. Lova Marline, mpikaroka, izay mitarika ny fampiasana ireo fitaovam-pandrefesana hoenti-mamantatra bebe kokoa ny loharano, ny refy, ny singa mamaritra ary ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra iainana arakaraka ny toerana sy ny fotoana andrefesana azy.
Ny tanjona lavitr’ezaka dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny fanangonana ireo antontan’isa ilaina hitantanana ireo loharanon’ny fandotoana ny rivotra iainana, sy amin’ny fiarovana ny fahasalamana sy ny fiveloman’ny mponina.
Tatiana A