Anosibe : mpangarom-paosy dimy tratry ny polisy

Voasambotry ny polisy manao fanamiana sivily ireo mpanendaka teny Anosibe, omaly. Miandahy miambavy izy ireo no manao ity asa ratsy ity. Anisan’ny toerana mahamay amin’ny sinto-mahery sy harom-paosy iny faritra iny ka arahi-maso akaiky, hoy ny polisy. Midina eny an-toerana manara-maso ny faritra rehetra ny mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. Miasa andro aman’alina hatrany izy ireo mba ho fiarovana ny vahoaka. Vokany, tra-tehaky ny SAG teo am-panendahan’olona, teo amin’ny akoho ny telo lahy ka noraisim-potsiny. Ny roa hafa tratra nanendaka teo amin’ny tsenan’ Anosibe. Marihina fa vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Nitomany ny lehilahy iray tamin’izy ireo rehefa nohadihadian’ny polisy. Niaiky ny heloka nataony ihany koa izy ireo nandritra izany. Nalefa eny amin’ny tobim-paritry ny polisy Tsaralalana ny tsy ampy taona tamin’izy ireo hanohizana ny fanadihadiana. Mbola tsy fantatra ny sazy mety hihatra amin’ireto mpanendaka ireto.

Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fiarovana vahoaka, hoy ny eo anivon’ny polisy.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: