Na efa nomelohin’ny fitsarana asa an-terivozona mandra-pahafatiny aza, voasambotra tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana indray i Mbehoto sy ny namany tao Toamasina…
Hatairana ny an’ny rehetra tao amin’ny efitrano fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, nandritra ny fotoam-pitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-56-Toa/22-2133-RP anenjehana an’i Mbehoto sy ny namany. Samy jiolahy avy any Ambovombe avokoa raha avy any Mananara Avaratra ny iray. Dimy izy ireo samy efa voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafatiny tamina raharaha nitsarana hafa talohan’izao. Fanafihana mitam-piadiana nahaverezena vola an-tapitrisany maro sy entana sady naharatrana olona iray. Hagagana anefa ny an’ny rehetra nandritra ny fotoam-pitsarana omaly maraina tao Toamasina fa samy nanamarina ny mpitsara fa efa voaheloka hanao asa an-terivozona ry zalahy kanefa voapaingotra tamina raharaha hafa indray. Nohamafisin’ireo voampanga telo fa voasambotra tamina fanafihana mitam-piadiana nandrobana vola tamina kiosk tao Bazaribe sy karana tao amin’ ny Cité Canada niampy fanafihana tao Mangarivotra ny volana febroary 2020 ry zalahy. Ho an’ny roa lahy kosa tratra tao Antsarahonenana. Nisy koa ireo natao famotorana tao am-ponja.
Midika izao raharaha izao fa mbola afaka miriaria eny ivelan’ny fonja ihany ireo jiolahy na efa voaheloka hanao asa an-terivozona ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy . Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.
Sajo/J.C