Nifarana, omaly, ny fivoriana ara-potonan’ny Antenimierampirenena. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny antso avo, ho an’ny rehetra.
«Mbola hamafisiko eto fa ny isavorovoroan-kilantoana. Ary izay tsy miady, olom-bodo; fa ny to fo, mpamosavy. Misy akana lesona ny zava-nitranga teto izay. Koa samia maka onon-draha na mandinika. Ny firaisankinan’ny solombavambahoaka ihany no ahazoantsika manome hasina ity andrimpanjakana misy antsika ity», hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, omaly. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany ny mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, Ntsay Christian.
Koa manao antso avo mba hampitsaharana tanteraka ny fifampihantsiana sy ny fifandranitana izy, fa izany no antoky ny fitoniana. Mba tsy hanaiky fisaraham-bazana, na tsy mitovy aza ny firehana politika. Satria ny tombontsoan’ny firenena no hatao vaindohan-draharaha. Nanao antso ho an’ny mpanao politika koa izy mba samy hampihatra ny fiatoana politika ny rehetra amin’izao vaninandro fety izao. Mba hahazoan’ny vahoaka malagasy mankalaza amim-pitoniana sy ao anatin’ny fifaliana ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao 2023 izany.
Tsapa ny ezaky ny Ceni
“Tsapa ny ezaka efa ataon’ny Ceni ho amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”, hoy kosa izy momba ny fanisana mpifidy amin’izao. Miantso ny solombavambahoaka izy mba hanentana ny vahoaka amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Ankahereziny koa ny Ceni amin’ny fanatontosana ny asany mba hisian’ny fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra.
Volavolan-dalàna valo tonga ary nolanian’ny Antenimierampirenena, ka ny iray no nasiam-panitsiana. Telo kosa ny tolo-dalàna tonga ka ny roa tamin’izany no nolaniana rehefa nasiam-panovana, nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandinihina azy. Tolo-kevitra iray no nankatoavina, ny amin’ny fananganana fanadihadiana parlemantera momba ny “Raharaha Ikongo”. Ivon’ny fivoriana ny fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023.
R. Nd.