Hainahandro : hifaninana amin’ny «ICC» ny ekipa malagasy

Telo ny fifaninanana iraisam-pirenena goavana mo­mba ny hainahandro, ka iray amin’ireny ny «International Catering Cup» na ny ICC. Hanana ekipa hifaninanana amin’ny andiany faha-8 i Madagasikara. Rahajamalala Fenosoa no hitarika, Rako­to­vao Bodo no miray lisitra aminy. “Coach” i Chef Lala­i­na Ravelomanana. “Mpiara-miasa efa ela amiko ato amin’ ny Marais Restaurant izy roa ireo ka tena atokisako. Ani­san’ny hotsaraina ny “coach” amin’ity fa tsy mandray anjara”, hoy ny filazan’i Chef Lalaina, omaly.
Hotontosaina any Lyon, Frantsa ny 17 hatramin’ny 19 janoary 2023, ny fifaninanana. Ekipam-pirenena maro no nisoratra anarana, saingy 12 ihany no noraisina. “Henjana be daholo ny mpifaninana, saingy tsy matahotra izahay. Ora 18 isan’andro no anaovanay fanazaran-tena ato, ary efa amam-bolana izany. Raha sanatria ka resy tsy maninona, satria hanome izay faratampony azo hatolotra izahay”, hoy hatrany i Chef Lalaina. An­koatra ny fahaizana sy talentan’izy ireo, hametraka ireo akora vokatra malagasy ana­tin’ny ketrika koa ny ekipa.

Zo ny Aina

Partager sur: