Instat- « Saps » : latsakemboka 1 miliara Ariary mahery tsy voaloa

Mandalo fahasahiranana ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa na ny Instat. Tsy voaefan’izy ireo ny trosan’ny Cnaps, mitentina 1 miliara sy 200 tapitrisa ariary. Anisan’ny noresahana io, nandritra ny fivoriambe izay nataon’ny sendikan’ny mpiasa rehetra eo amin’ny Instat (Saps), teny Anosy, omaly.

Tsiahivina fa tsy voaloan’ny Instat ny latsakemboka Cnaps nanomboka ny taona 1996. Nokarohina ny vahaolana, nataon’ny Ministera mpiahy sy ny mpitantana ny Instat sy ny sendika Saps, amin’ny fandoavana izany, sady tsy hahatara ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa.

Mitaky fiahiana ara-pahasalamana

Ankoatra izay, miteraka olana ho an’ny mpiasan’ ny Instat ihany koa, ny tsy fisitrahan’ny mpiasa ny fiahiana ara-pahasalamana, fahatarana ny famokarana antontanisa ara-panjakana, toy ny fanisana mponina faobe, fanaovana kaontim-pirenena, izay tokony atao isaky ny folo taona.

Marihina fa, ny fivoriambe izay nataon’ny Saps no hanaovana ny tatitry ny fangatahan’ny mpiasa, hilazana ireo zavatra efa vita ary ny vina amin’ny taona ho avy.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: