Iray ny fanamby

Hifarana ny taona, manomboka ny fanaovana jery todika, ho an’ny isam-batan’olona, ny vondrona sy fikambanana, ary ny eny anivon’ny andrimpanjakana. Efa niaraha-mahalala anefa ny toe-draharaha niainan’ny vahoaka malagasy, sy ny firenena nandritra ity taona 2022 ity. Iza no tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana isan-karazany. Mijaly ny ankabeazan’ny mponina. Izao aza efa malaza, raha hita amin’ny ranty ataon’ny depiote iray amin’ny tambajotran-tserasera facebook, fa tsy manam-bola ny fanjakana. Tsy misy hilaza ho milamina kosa angamba e !
Etsy ankilan’izany, miverina tsikelikely ny lanjan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manomboka ny fifandroritana sy ny fandangolangoana ny Malagasy mba hiara-mirona amin’ny firehana izatsy na izaroa. Mihatsara hatrany ny naoty omen’ny firenen-dehibe, amin’ny ezaka efa vitan’ny mpitondra hatreto. Vaovao mafana, nilatsaka avy any Etazonia, hiverina hahazo ny famatsiam-bola maimaim-poana amin’ny Millennium Challenge Corporation isika amin’ny taona ho avy. Fepetra vitsivitsy handrasana, ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny fanajana ny demokrasia, sns. Aiza no hisy an’izany ? Hitsidika ny taona vaovao, misy tetikasa sy famatsiam-bola vaovao, miaraka amin’ny vazaha. Madagasikara rahateo anatin’ny tena filana maika sy ny hamehana, ankehitriny.
Manoloana ny zava-misy voalaza ireo, tsy azo hodiana tsy hita ny kajikajy isan-karazany ataon’ny mpanao politika. Ao ny miandry “tataka”, araka ny fitenin-jatovo mba hijapy lamasinina. Misy indray ny miandry kendritohana amin’ny mety hahafaty an-dalana izany. Manginy fotsiny ny mihenahena miandry “kitapo latsaka” mba haka izay azo alaina sy hanaovana tantely afa-drakotra izay azo hilibana. Hatreto, tsy hita izay tena mampiseho fitiava-tanindrazana. Zara aza misy ny fety ho avy, ny fahatongavan’ny “mpamonjy” mba hanginginan’ny ady lahy politika. Raha tsy izany, efa nampanahy be ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha. Eny fa na ny tompom-pahefana tahaka ny Praiministra aza, tsy mety manao fanambarana. Nahavita nanao ankiafina sy nitsoaka mpanao gazety izy, omaly. Mety niaro ny afo efa midongidongy anaty lavenona io, tsy hidedadedaka angamba!
Tsy mbola misy afaka ny hitompo teny fantatra amin’ny hoavin’ity Madagasikara malalantsika ity. Fotoana ampiroboroboana ny tsirim-panantenana izao sy hanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana. Tsy misy rahateo ny tonga lafatra. Mifamenofeno eo ny ratsy sy ny tsara, ny asa vita sy ny tsy vita. Fanamby iray no tanjona, Madagasikara Mandroso sy vahoaka malagasy miaina milamina.

r.r

Partager sur: