Betsaka ireo mitaraina fa very an-javony ny fitoriana momba ny trangana herisetra rehefa tonga eny anivon’ny fitsarana. Nanazava ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana fa henjana ny politika ampiharina momba ny ady atao amin’ny herisetra.
Ao anatin’ny 16 andro hanaovana hetsika iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, nikarakara fifampizarana, teny Ivandry, ireo mpisehatra samihafa misoroka sy miady amin’ny herisetra. Teo ny fikambanam-behivavy, ny fanjakana sy ny mpiray ombon’antoka ary afaka nandray fitenenanana koa ny olona niharan’ny herisetra sy ny firaisamonim-pirenena. Miahy manokana ny hetsika ny vadin’ny filoha sady mpitarika ny fikambanana Fitia no masoihovon’ny ady amin’ny herisetra rahateo, Rajoelina Mialy.
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanentanana ny polisy sy ny fikambanan’ny vadin’ny mpitandro filaminana. «Hitondra fanentanana ho an’ny daholobe izahay fa manana sampandraharaha mandray an-tanana ny fitarainana ny polisy. Mampahafantatra ihany koa ny paikady heloka mifototra amin’ny filan’ny olona niharan’ny herisetra», hoy ny Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, commissaire divisionnaire, Randriambelo Mandimbin’ny Aina, omaly.
Tsy mpandrava tokantrano
Nomarihina fa tsy mpandrava tokantrano ny polisy fa miady amin’ny herisetra fa rehefa misy ny heloka bevava araka ny lalàna, anjaran’ny polisy no mandresy lahatra ilay niharan’ny herisetra amin’ny tokony hirosoana amin’ny fitoriana eny anivon’ny fitsarana. Ho an’ny fitsarana manokana, efa misy ny « politique pénale » momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG) satria efa mihatra ny lalàna momba izany. Napetraka ny “chaine pénale” momba ny VBG eny amin’ny sampam-pitsarana manomboka amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony hatramin’ny fitsarana fandravana didy, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera’ny Fitsarana, Raby Savatsarah Ain’Harimanga.
Politikan’ny fanenjanana ny sazy ho an’ny mpanao herisetra no ampiharina rehefa tonga eny amin’ny fitsarana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana atao. Rehefa misy porofo, mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ny fampidirana am-ponja ireo olona mpanao herisetra ny fitsarana. Raha votsotra izy ireo fa tsy voatazona vonjimaika eny am-ponja, manao “opposition” ny fampanoavana. Rehefa tsy mahafapo koa ny didy avoakan’ny mpitsara mpamoaka didy ampitahaina amin’ny tranga izay niseho, manao fampiakarana hatrany ny fampanoavana. Nantitranteriny fa politika henjana sy hentitra no ampiharina eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana momba ny VBG.
Ho an’ny tanora
Tanjon’ny hetsika omaly ny fampahafatarana ny tokony hatao raha misy trangana herisetra miseho na ho an’ny tanora na ny daholobe satria nanatrika koa ny fikambanan’ny tanora (skoto, mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony…) samihafa, hoy ny tompon’andraikitry ny fikambanana Fitia, Andrianisa Gentiane. Efa misy horonantsary fijoroana vavolombelona nataon’ireo vehivavy niharan’ny herisetra ka sahy namboraka izany ary nalefa teny Ivandry.
Vonjy A.
9000 ny fitarainana voaray
« Mahatratra 9 000 ny isan’ny fitarainana voaray teny anivon’ny toeram-pandraisana sy fanomezana torolalana « centre d’écoute et de conseils juridiques » (CECJ), nandritra ity taona ity », hoy ny tale jeneraly momba ny Fampivoarana ny vehivavy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, Rabetaliana Rova. Ho an‘ny fikambanana Fitia, izay manana toerana fandraisana an-tanana ny olona niharan’ny herisetra eny Mahamasina, nandray fitarainana 6300 izy ireo tao anatin’ny telo taona, nanomboka ny taona 2019. Manana sampandraharaha valo ny brigade féminine de proximité (BFP) manerana ny Nosy, nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny novambra lasa teo, 350 ny fitarainana azo momba ny herisetra amin’ny fihariana raha 250 amin’ny vatana. Ho an’ny herisetra ara-tsaina, 270 no voaray ary 30 momba ny herisetra ara-pananahana. Mitombo ny isa raha mitaha ny tamin’ny taona 2021 satria efa sahy mitoroka ny olona niharan’ny herisetra amin’izao fotoana izao noho ny fanentanana nataon’ny mpisehatra maro miady amin’ny herisetra, hoy ny kaomandin’ny BFP, officier, Razafiarisoa Nirina. Ny asa fisorohana no atao mafonja ho an’ny BFP fa kosa manentana ny olona hitory rehefa misy ny fandikan-dalàna.