Tapaka tsokan-damosiny : tsy azo didiana, malemy i Sedera kely

Tsy azo esorina ny bala taraiky anatin’ny vatan’i Sedera kely. Tapaka ny tsokan-damosiny, malemy ny tapany ambany. Tsy afaka mivalan-drano. Tsy azo didiana mba ho fiarovana ny ainy, araka ny fanambaran’ny Profesora Rajaonahary Toky, etsy amin’ny CHUJRA.

Trangam-piarahamonina iray, sady mampalahelo no mahasorena amin’ny afitsoky ny tsy fandriampahalemana ny nanjo an’i Sedera kely. Voa tsy nahy ny balan’ ny jiolahy mpanafika tao Toa­ma­sina izy ny 4 novambra
la­sa teo. Naratra ka tsy maintsy nentina niakatra aty an-drenivohitra noho ny fahasarotana sy ny tsy fahampian’ny fi­ta­ovana tao amin’ny hopitaly.
Raha atsidika, tsy nitazam-potsiny ny fahavoazan’ i Sedera kely ny solontenam-panjakana notarihin’ny governoram-paritra, Rafidison Ri­chard Theodore sy ny vadiny. Ny asabotsy maraina, nandray andraikitra nitondra fanampiana ho an’ny ray aman-dreniny sy nikaroka vahaolana amin’ny fiantohana ny fahatongavan’ny marary mba hisitraka fitsaboana sahazy azy aty Antananarivo. Tsy misy na­hiana intsony ny ain’io za­zalahy io taorian’izay. Rehefa tonga taty an-drenivohitra, la­ny ny vatsy, voatery nody mialoha ny fotoana izy mianaka. Tsy maintsy niala ny hopitaly na dia nanome toky ny hiahy aza ny fanjakana.
Mpisintona lakolosy tao a­min’ny “facebook” no na­mo­a­ka ny vaovao, ka nisy ny tsara si­trapo nanome izay azo natao, ni­tondrana azy niverina tany amin’ny hopitaly. Tao­ri­an’izay, nandray ny andraikiny sy na­me­­rina ny fiahiana ny fanjakana.

Fizahana lalina
Rehefa natao ny fanadihadiana sy ny fizahan’ny mpitsabo, hita fa tapaka ny tsokan-damosina mibaiko ny fahafahana mihetsika ny tapany am­bany rehetra, hoy ny talen’ny CHUJRA, profesora. Rajao­na­nahary Toky Mamin’ny Aina. Vokany, tsy afa-mihetsika intsony ny rantsana ambany ka niteraka olana. Tsy mandeha ny fivalan-dranony ary mivonto ny tongony, ara­ka ny fanazavany ihany. No­ra­isina an-tanana ao amin’ny CHUJRA izy nitondrana fitsaboana fa tsy fandidiana, araka ny eritreritry ny maro. Tsy azo didiana intsony i Sedera hiarovana azy fa ny fisorohana ny fahasarotana vokatry ny fahafahan’ny rantsam-batana ambany mihetsika no atao amin’izao fotoana izao. Na­ha­zo fanafody manala ny fivontosana eo amin’ny tongotra izy ary nametrahana fantsona mitondra ny fivalanan-drano mivoaka. Tsy maintsy tohizana ireo fitsaboana ireo rehefa mivoaka ny hopitaly izy ka mila olona mikarakara azy tsy tapaka. Noraisin’ny fitondrana an-tanana ny fitsaboana azy nanomboka tany Toa­ma­si­na ka hatramin’izao eny amin’ ny CHUJRA izao.

 

Vonjy/Sajo

Partager sur: