Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny tsy fananan’ny tanora asa. Napetraka ny tetikasa OBS-Mada, mikendry ny tanora hanamafy ny fahaiza-mitarika, mba ho lasa mpivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina. Manohana ara-bola azy ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hanamafisana orina ny fandriampahalemana (PBF), eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fanatanjahatena sy ny tanora, tantanan’ny Pnud sy ny vovonana MSIS Tatao sy ny fikambanana fiarahamonim-pirenena samihafa. Tanjona ny hahatonga ny tanora handray andraikitra, hanam-piniavana, ka ho lasa atokisan’ny fiarahamonina.
Natao, omaly, teto Antananarivo ny fihaonamben’ireo tanora nahazo fiofanana sy torohay, avy any amin’ny faritra maro teto amintsika. Nilaza ny tale mpanatanteraky ny MSIS Tatao, Andriamoraniaina Harijaona, fa maherin’ny 10.000 ny tanora nisitraka ny tetikasa OBS-Mada, 22 volana aty aoriana, raha 5.000 no noheverina tany am-piandohana. Nahomby ny nametrahana ny rafitra fanairana mialoha, mba hisorohana ny tranga mety hiteraka disadisa eo amin’ny fiaraha-monina.
Njaka A.