Andalana hirodana ny harena an-kibon’ny tany

Na izany aza, namoaka fanehoan-kevitra ny vondrona mpandraharaha amin’ity se­hatra ity ny taona 2022. No­tsorin’izy ireo, fa « eo andalana hirodana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ». Efa nisy fotoana nanairan’izy ireo, fa tsy voahaja ny lalàna, tsy mivoaka ny taratasy fahazoan-dalana, efa ho 13 taona izao. Nasongadin’ny mpandraharaha ao anatin’ilay taratasy fa ohatry ny mitady famatsiam-bola any amin’ny mpampindram-bola iraisam-pirenena ny fanjakana, andaniny, nefa azo adika fa mifanohitra amin’izany ny fahitana ny fanakanana ny fampiasam-bola, ankilany.

Mihantona ny Base Toliara
Anisan’ny tetikasa misedra olana maro ny Base Toliara, naaton’ny fanjakana nanomboka ny taona 2019, izay tsy fantatra mihitsy ny tohiny hatramin’izao. Voaso­ratra mazava ao anatin’ny PEM anefa, fa tanjon’io tetikasa io ny hanomezan-danja ny fitrandrahana fasimainty any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Hampiroborobo ny karazana seha-pihariana maro sy sady hamorona asa anarivony. Hampandroso ny fananganana fotodrafitrasa samihafa, toy ny fanamboaran-dalana vita godirao, hampiakatra ny taha entin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Harinkarena faobe (PIB). Isan’ny vokatra andrasana napetrak’ity tetikasa ity, ny fampandrosoana ny faritra itrandrahana, ny asa, ny fanatsarana ny fidiram-bola maharitry ny mponina, ny fampiakarana ny fari-piainana ary ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny fanjakana.
Sakanana ny QMM
Ankoatra izany, misedra olana koa ny orinasa QIT Ma­dagasikara Minerais (QMM) any Taolagnaro, nanomboka ny fiandohan’ny desambra 2022 teo. Araka ny fanambarana an-tsoratra nataony, mihantona avokoa ny asa rehetra, toy ny fitrandrahana, ny fikirakirana ny fasimainty, ny monazita ary ny zirsil. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany, vokatry ny sakan-dalana mankany amin’ny ozinina, any Man­dena, manohitohina ny filaminana izany rehetra izany.

Njaka A.

Partager sur: