Nitohy tany Ankazoabo ny fitsidihan’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo ny atsimon’ny Nosy. Nivoitra tamin’izany ny olana maro samihafa iainan’ny vahoaka any an-toerana.
Anisan’izany ny olana sosialy. Tsy mifanaraka amin’ ny filan’ny mponina ireo fotodrafitrasa any Ankazoabo. “Ilaina ny mihaino ny olan’ny vahoaka ety ifotony raha te hampandroso ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa ampifanarahana ny asa rehetra atao ho araka ny filan’ny vahoaka. Tokony hapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy ahafahan’ny faritra tsirairay mahaleo tena.
Notanisain’ireo mponina fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana ireo mponina any an-toerana ankehitriny ary tsy afaka namokatra sy namboly, vokatry ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. Anisan’izany ny tohodrano, manondraka ny fambolena. Eo koa ny tsy fahampian’ny rotsakorana. Manampy izany ny tsy fisian’ny tosika avy amin’ny mpitondra fanjakana ireo tantsaha mpamokatra. Anisan’ny tsy afa-bela amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao raha ny any atsimo.
Fametrahana ny laharam-pahamehana
Manoloana izany, nohitsin’ny filoha nasionalin’ny MMM fa tokony hapetraka ireo fotodrafitrasa tena laharam-pahamehana amin’ny vahoaka mba tsy hampikoroso fahana ny fiainam-bahoaka. “Adidin’ny antoko ny mihaino ny olan’ny vahoaka eny ifotony. Tanjona amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny mba hiteraka fampandrosoana miainga avy eny ifotony”, hoy ihany izy.
Naharitra ora maro ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo vahoaka sy ny mpitarika ny MMM. Samy resy lahatra avokoa ny rehetra fa hisy akony goavana eo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena avokoa ny asa rehetra atao raha mifampihaino amin’ny eny ifotony ny fanjakana. “Omena fahefana ireo tompon’andraikitra isan-tokony miainga eny ifotony ary henoina ny vahoaka, eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary distrika”, hoy izy.
Synèse R.