Antohomadinika : lehilahy mpamaky trano voasambotra

Voasambotry ny polisy, oma­ly tamin ‘ny 2 ora maraina ny lehilahy iray avy namaky trano tetsy Antoho­ma­dinika, fokontany III G Hangar. Nifanena tamin’ny lehilahy iray nitondra entana maro samihafa ny Polisy avy ao Antaniavo Antohomadi­nika rehefa nanao fisafoana an’anelakelantrano. Nampia­hiahy ny mpitandro ny filaminana izy ity ka nosavaina ireo entana teny aminy. No­entina teny amin’ny biraon’ ny polisy avy hatrany izy avy eo nanaovana famotorana. Fantatra fa avy namaky tranon’olona teny amin’ny ma­nodidina izy tamin’io fo­toana nifanenany tamin’ny po­lisy io. Niaiky ny heloka nataony izy ary teny an-dalana hitondra ireo entana halatra hamidy eny Bekiraro Ampefiloha. Voalazany fa anisan’ireo toerana mpandray ambongadiny ny karazana entana halatra io eny amin’ny Bekiraro io. Manomboka amin’ny 3ora sy sasany ny fivarotana izany eny an-toerana ary maro ireo olona no tonga mividy entana eny an-toerana. Efa ela izy ity no na­maky trano teto andrenivohitra fa izao vao tratra. Amin’ ny 12 ora atoandro sy maraina, be hoy izy, ny fotoana hamakiany trano, raha ny tatitra voaray. Mbola ao ana­ty torimaso lalina sy amin’ny fotoana tsy hisian’ny olo­na ao an-trano ireo ora ireo, ny antony. Marihina fa voaroaka tamin’ny asa na­taony teo aloha izy ka lasa manao izao asa ratsy izao, hoentiny hitsaboany ny reniny marary,araka ny fanazavana hatrany. Manentana ny olona ho mailo lalandava, hatramin’ny faran’ny volana Mars 2023, ny polisy. Voala­za fa vanimpotoana mampirongatra ny halabotry eto andrenivohitra sy ny manodidina io. Marihina fa atolotra ny fampanoavana androany ity lehilahy ity.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: