Boky vaovao : nivoaka ny «Maroandavaka»

Notanterahina ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Espace Kolo Kanto Parc de l’Est Antsirabe ny famoahana ny “Maroandavaka”, boky mirakitra haisoratra novolavolain’ny aingampanahin’ireo poeta 9 mianadahy (Lamz, Riana, Ni-Avatsa, Aloka Mi­serana, Ny Avo Elabakaka, Tsiky Sesehena, Aingan’ny Ala, Patrick Teddy ary i Faniry Ezeckiel.
Avy amin’ny Faribolana Sandratra sampana Betafo izy ireo. “Maroandavaka”, boky 90 pejy, mirakitra tononkalo sy riankalo. Nanao ny teny fanolorana, i Solomon Rako­to­nirina. Ny Fontsy Edition kosa no nanonta azy ity.
Hitohy ny asabotsy 24 desambra, ao amin’ny Dobo Art Antsirabe ny fampirantiana ity boky vaovao ity. Hisy hatrany ny seho an-tsehatra hanamarihana izany. Marihina fa boky faharoa navoakan’ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny “Maroandavaka” , taorian’ny “Embok’Am­bon­drom­be” tamin’ny volana jiona teo.

Taratry ny firoboroboan’ny literatiora malagasy sady tsangambato hitety ny vanim-potoana ny boky tahaka itony raha ny voarakitra ao anatiny no iaingana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: