Tontosa, omaly, alahady 18 novambra 2022, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny « Cirque Momota ». Fampisehoana niarahana tamin’ny Momota sy ny tariny ary ny « Aleas des possibles ».
Tsy ampy ny fampisehoana ho an’ny ankizy eto Madagasikara. Vitsy ny mpikarakara lanonana mikarakara hetsika ho fanomezana fahafaham-po ny kilonga malagasy.
Sambany teto Madagasikara no nisy fampisehoana ho an’ny ankizy ka Malagasy zato isan-jato no nandray anjara tao. Momota sy ny tariny mpampilalao ankizy sy ny «Aléas des possibles» mpanao ireny fampisehoana mampitaintaina sy feno hakingana homban-tanjaky ny vatana sy ny fifantohan’ny saina, ireny no nanome fahafaham-po ny kilonga ny folak’andron’ny omaly alahady.
Hira sy kilalao nolaroina fampisehoana mampitaintaina sy mahagaga no hita tao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolotsaina. Nanakoako tao ny «Dadanay» an’i Momota sy ny tariny. Teo ihany koa ny fampisehoana nahagaga ny maro tahaka ny fidinana tamin’ny tady sy ny kilalao hafa izay tena nampitaintaina ny ankizy sy ny lehibe nanatrika .
«Matihanina tanteraka ny fikarakarana. Tena hetsika feno natokana ho an’ny ankizy tokoa no nasehon’ny mpandray anjara sy ny mpikarakara androany. Afa-po izahay.» hoy i Hanitra, Ray aman-dreny nitondra ny zanany tao. Na ny olon-dehibe aza variana tamin’ny fahaizan’ny Malagasy mifehy ny «cirque». Tsikaritra koa fa maro ireo ankizy sy tanora no voasarika sahady amin’ny filalaovana «cirque», rehefa nahita ity seho ity.
«Mbola hisy ny hetsika manaraka ho fanomezana fahafaham-po ireo tsy afaka sy ny tsy tafiditra ary ny ho an’ny any amn’ny faritra» hoy ny mpikarakara.
Lin (Mpianatra asa)