Fanendahana eny Isotry : vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy tratra

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny asabotsy 17desambra 2022 teo ny andian-jiolahy (vehivavy ny iray) malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy. Miara-misalahy hatrany ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny polisim-pi­renena mba hisian’ny fandriampahalemana. Nametraka ny paikady rehetra ny polisy mba hahafahana misambotra ireo jiolahy amin’iny faritra mena amin’ny fanendahana iny. Isan’ny nanaovana andrimaso manokana ny tao amin’ny faritra Isotry, isan’ny be olona mifamezivezy. Niara­han’ireo polisy miasa ao amin’ny Unité spécialisé de la police nationale (USPN), Ny SAG, ny UIR ary ny Brigade féminine de proximité (BFP). Nanao fanamiana sivily ireo polisy nandritra ny fanenjehana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany ka nahafahana ni­sambotra ireo andian-jiolahy miisa fito. Ny sasany manararaotra mangarona ny paosin’ireo olona variana mijery zavatra. Ny hafa kosa misintona ny zavatra eny am-pelatanan’olona. Raikitra ny fifanenjehana ka noraisim-potsiny ireo jiolahy. Fantatra fa tsy vao izao ireto jiolahy ireto no manao ny asa ratsiny amin’iny faritra iny. Mitohy kosa ny fikarohana ny naman’ireto tratra ireto.

Jean Claude

Partager sur: