Faran’ny taona : manohana mpanakanto ny Airtel

Nandritra ny taona maro, tsy mitsahatra manohana ny mpanakanto ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy fanohanana ireo mpanan-talenta miangaly azy ho an’ny vahoaka sy ireo mampiasa ny tambajotrany ny Airtel Mada­gas­car. Fetin’ny faran’ny taona «Prestigiuous time» hifampizarana amin’ireo mpanakanto avo lenta avy eto an-toerana na avy any ivelany.

«Fanohizana ny efa na­ta­onanay ihany ny atao amin’ny Prestigiuous time, ho fanohanana ny kolontsaina eto Ma­dagasikara. Izany dia iarahana amin’ireo mpanakanto ma­nana ny lazany toa an’i Jaojaoby, olona tsy lefy laza sy mbola amin’ny heriny rehetra, toy izany koa ireo miaraka aminy. Koa rariny ny Airtel raha eo amin’io fotoana io ho an’ny mpankafy mozika», hoy ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny Airtel, Ratsimbazafy Anna.

Hofaranana an-kafaliana ny taona, 31 desambra 2022, hanamarika ny toerany ny Airtel amin’ny fanohanana ny “Prestigious time” handra­isan’ireo mpanakanto manana ny lazany anjara amin’ny faran’ny taona, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ ny Carlton. Marihina fa misy amina firenena 14 aty Afrika ny Airtel, afaka hitrandrahana tambajotra 2G, 3G, 4G hahafahana mampiasa tolotra isan-karazany.

Ndrina

Partager sur: