Tra-tehaky ny zandarimaria, avy ao Fetraomby, ny talata tamin’ny 03 ora tolakandro teo, ireo zahatra miisa valo nitondra hazo sarobidy marobe. Nalefa teny amin’ny reniranon’Ambinanintsaraha, koaminina ambanivohitra Fetraomby, distrika Brickaville ireo zahatra ireo ka nisy nahatsirakitra. Efa voaomana tsara ity teti-dratsy ity. Tsara fatotra sy voaafina tsara avokoa ireo hazo rehetra saingy saron’ny zandarimaria ihany. Nafenina tamin’izay ireo hazo miisa 210. Voamboana avokoa ny 180 isa tamin’izany raha hazo tsotra ny 16 isa, hazo boribory teza ny valo ary “madriers” ireo enina ambiny. Taorian’izay, nogiazana avy hatrany ireo hazo rehetra. Nopotehina tanteraka kosa ireo zahatra, nampandrenesina momba ny raharaha koa ny talem-paritry ny tontolo iainana. Ireto farany izay mpiara-miasa akaiky amin’ny zandarimariam-pirenena. Hatreto tsy mbola misy ny voasambotra sy voasaringotra amin’ny raharaha. Mbola anatin’ny famotorana lalina kosa ny zandarimariam-pirenena.
Henintsoa H.