Voasoratra mazava ao anatin’ny Drafitrasa hisandratan’i Madagasikara (PEM), fa sehatra lehibe hisarihana ny mpampiasa vaola vahiny (IDE), hitondra fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Etsy ankilany anefa, mitsotra ny mpandraharaha fa mifanohitra amin’izany ny zava-misy, toy ny tsy fivoahan’ny fahazoan-dalana, ny fihantonan’ny asa fitrandrahana ho an’ireo mpampiasa vola efa eto an-toerana.
Araka ny tatitra nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), anisan’ny nahomby indrindra ao amin’ny seha-pamokarana faharoa, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany tamin’ny taona 2021. Nahitana fitomboana +55,4% izany, raha toa ka nisy fihenana -56,8% ny taona 2020.
Manodidina ny 35,3% ny salanisa nentin’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny harena fanampiny ankapobeny (valeur ajoutée), ary nahatratra 74,6% ny nentiny tao amin’ny seha-pamokarana faharoa ny taona 2021. Araka ny voasoratra ao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena, navoakan’ny BFM, ny oktobra 2022 teo, nahatratra 58% ny anjara-birikin’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny fanondranan’i Madagasikara vokatra any ivelany.
Araka ny voasoritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana LFI 2023, milaza ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), fa nitombo 23,6 % ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tamin’ity taona 2022 ity. Isan’ny nahatonga izany ny fitombon’ny tinady eo amin’ny tsena iraisam- pirenena, indrindra ny grafita, ny kobalta ary ny nikela. Nosinganiny koa fa hitombo 8,6% ny seha- pamokarana faharoa amin’ny taona ho avy io. Satria, hitohy ny tinadin’ireo mampiasa akora fototry ny harena an-kibon’ny tany, vokatry ny firoborobon’ny angovo, na miadana aza ny fitomboana ara-toekarena ankapobeny maneran-tany.
Sehatra misarika ny mpampiasa vola
Nasongadin’ny fanjakana nandritra ny famelabelarana ny Drafitrasa fisandratan’i Madagasikara (PEM), nandritra ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny fampiasam-bola, tamin’ity taona 2022 ity, fa manana ny anjara-toerany, ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Manamafy ity drafitrasa ity fa tsara toerana i Madagasikara amin’ny fananany ireo harena ambanin’ny tany, ilaina amin’ny fanarenana ny toe-karena maneran-tany, taorian’ny krizy Covid-19. Isan’izany ireo akora tena ilaina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, toy ny fasimainty, ny nikela, ny kobalta, ny grafita, ny lithium, ny varahina, ny akora-tany tsy fahita firy (terre rare), sns. Hisarika ny mpampiasa vola vahiny ny fitrandrahana azy ireny, hamaly ny filan’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany.
Fandraharahana marin-toerana
Hita ao anatin’ity drafitrasan’ny fanjakana ity ny lisitr’ireo sehatra manan-danja amin’ny fampiasam-bola, toy ny fitrandrahana fasimainty any Taolagnaro sy Toliara, ny grafita any Ampanihy sy Fotadrevo, ny akoratany tsy fahita firy any Ampasindava na Befandriana, ny nikela any Moramanga, sns. Nandroso fepetra hisarihana ny mpampiasa vola ny fanjakana, toy ny fametrahana fahatokisana mba ho marin-toerana, ka handraharahana am-pahatoniana sy tsy misy ahiahy.
Eo koa ny fanohizana ny seha-pihariana misy, ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny ady amin’ny fanangonana ny vokatra, sns.
Njaka Andriantefiarinesy