Hetsika fanaon’ny Orange Solidarité Madagascar ny mamalifaly sy mizara fanomezana sy sakafo ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana sahirana, rehefa fetin’ny Noely isan-taona. Teny amin’ny kianjan’ Alarobia no nanaovana ny hetsika ny faran’ny herinandro teo izay mbola hitohy amin’ny toerana maro manerana ny Nosy amin’ity herinandro ity. Mahatratra 2 300 ny fianakaviana hisitraka ny fanomezana sy sakafo ao anatin’ny noelin’ny firaisankina. 148 ny ankohonana tsy manan-kialofana izay sahanin’ny minisiteran’ny Mponina eny anivon’ny foibe roa eto Antananarivo niaraka amin’ny ankizy mpatory an-dalambe 355 nifaly tao anatin’ny hetsika samihafa. Afaka hanao fety ny fianakaviana fa nozaraina vary, menaka, sardine, labozia…Nisy koa ny fampilalaovana niaraka amin’ny «alea des possibles» sy fakana sary niaraka amin’ny dadabe noely ho an’ny kilonga madinika.
14 ny faritra tohanan’ny Orange hizarana ny fanampiana ho an’ny olona 1400, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Orange solidarité, Arson Benja.
Niarahana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hetsika satria efa mpiara-miasa ny roa tonta. Nomarihin’ny Talen’ny asa sosialy eo anivon’ny kaominina, dokotera Raharinandrasana Hajatiana fa vao avy nampitaovana ny toeram-pandraisana ireo ankizy niharan’ny herisetra ny Orange solidarité.
Vonjy A.