Hiavaka hatramin’ny farany ny fampirantina “Cellules humaines, c’est lui l’humain”. Tanterahina eny amin’ny “Fondation H” Andraharo Antananarivo, ny alarobia 21 desambra 2022, ny lanonana famaranana ny fampirantinan’i Olivia Bourgois, mampiseho ny dingana sy ny lalam-piainan’ny olombelona amin’ny alalan’ny fako. Ireny no natambatr’i Olivia nahazoana singa nandravahana ny fampirantina. Hisy ny fampisehoana manodidina ny fofona sy tsiro izay ahafahan’ny mpanatrika mandray anjara. Eo ihany koa ny fifanakalozana amin’ny mpisehatra eo amin’ny zavakanto sy i Olivia Bourgois.
Iray volana nanehoana kanto miavaka i Olivia Bourgois sy ny mpanohana azy. Ny fampisehoana ny lalana sy ny dingam-piainan’ny olombelona amin’ny fomba hafa sy kanto no tena mampiavaka ity asa tanana iray ity. Eo ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Fako plastika tahaka ny tapaka lamba, taratasy, tavoahangy no akora fototra nampiasaina. Olivia Bourgois, faharoa tamin’ny fifaninanana “Paritana 2022” karakarain’ny “Fondation H” ho an’ny mpanao zavakanto monina eto Madagasikara.
Lin (Mpianatra asa)