Fandaharanasa tanterahin’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny Asa avotra mirindra, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Maromaro ny tetikasa entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mpahazo tombontsoa, hametrahana tontolo miaro ny tontolo iainana sy hisian’ny fitoniana ara-tsosialy. Tena kendrena ny fianakaviana marefo, indrindra ny vehivavy. Misy ny fanampiana ara-bola, ny tohana hitantana tetikasa sy vola. Eo koa ny fampianarana hamorona tetikasa fihariana na koa ny asa tanamaro, ny fambolen-kazo, ny fitantanana ny fako, sns. Ampianarina hahay ny fahadiovana sy ny fahasalamana ny olon-dehibe amin’ny alalan’ny rafitra antsoina hoe «Sehatra Mahasoa». Ampianarina mamaky teny sy manoratra ho an’ny olon-dehibe. sns. Miisa 4.495.583 ny mpahazo tombontsoa.
Mianatra ny 86%-n’ny ankizy
Vehivavy ny 76%-n’ireo mpahazo tombontsoa. Tafiditra an-tsekoly ambaratonga voalohany ny 86%-n’ny ankizy zanaky ny fianakaviana marefo, ary tsy maintsy mandeha mianatra ny 80%-n’ny fotoana ianarana.
Miisa 27.941 ny olona nahazo fanampiana ara-bola mipetraka an-tanàn-dehibe. Nahatratra 886.508 ny fianakaviana nahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa aro riaka (filet de sécurité). Miisa 148.047 ny nahazo tombontsoa amin’ny asa tanamaro na asa atakalo vola. Nahatratra 2.362 ha ny velaran-tany voavoly. Miisa 98 ny drafi-panajariana ny tontolo iainana, nandraisan’ny mpahazo tombontsoa anjara.
Loharanom-baovao: FID’Actus (desambra 2022)
Njaka A.