Sahirana ny mpandraharaha any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany. Simba ny seranan-tsambo iombonan’ireo faritra ireo, nefa raha ny tatitra nataon’ny mpandraharaha maro, dia misy vokatra fanondrana maro hita any, toy ny kafe, lavanila, jirofo, letisia, izay anisan’ny vokatra fanondrana sady fiveloman’ny olona maro.
Tsy hahita seranan-tsambo, ohatra, hatramin’izao ny ao Manakara, Farafangana, Vangaindrano, Mananjary. Betsaka amin’ireo vokatra fanondrana ireo no lasa ambanin-javatra, lasa amidy amin’ ny vidiny mirary eto an-toerana fotsiny. Misy ny afaka manondrana izany any ivelany, saingy vitsy sy mividy mora amin’ireo tantsaha, satria mbola mampiakatra izany any Fianarantsoa, Antananarivo hatrany Toamasina, izay vao mahita seranan-tsambo.
Nambaran’ny mpandraharaha sy tantsaha sasany fa olana ihany koa ny fitaterana amin’ny fiaran-dalamby FCE, mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Betsaka ny vokatra tsy tafavoaka amin’io FCE io, misy aza lo fotsiny. Ialana mihitsy ny fambolena sasany, lasa mifindra monina ireo tantsaha tsy afaka mivelona amin’ny tanàna tsy misy fitaterana.
Efa nampanantena ny fanjakana ny hanamboarana ny seranan-tsambon’i Manakara sy ny fitaterana FCE, saingy mbola miandry. Toy izany koa ny lakandranon’i Pangalana, andrasana ny fanamboarana azy.
Ndrina