Banky Iraisam-pirenena: avy amin’ny tontolo iainana ny 50%-n’ny Harinkarena faobe

Harena eto an-tany ny tontolo mananaina. Mitana toerana manan-danja ho an’ny fampandrosoana izany, saingy tandindomin-doza vokatry ny fihazakazahan’ny fahasimbany. Namoaka tatitra ny tale jeneraly misahana ny politikam-pampandrosoana sy ny fiaraha-miombon’antoka ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, Mari Pangestu, fa manafoana ny tahiry karbona ny fandripahana ny ala, manafaingana ny fiovan’ny toetr’andro.

Nitroka ny 5%-n’ny fiparitahan’ny entona karbona ny ala any Amazonia, Amerika Atsimo isan-taona. Nefa, nahatratra 3.900 km2 ny ala ripaka any an-toerana, ny enim-bolana voalohany ny taona 2022 ity. Izany hoe, indroa amin’ny velaran’ny tanànan’i Beijing renivohitr’i Sina. Ankoatra izany, avy amin’ny harena voajanahary ny famatsiam-bola mahatonga ny 40%-n’ny ady na ny fifandonana maneran-tany.
Etsy ankilany, mampihena ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ny tontolo mananaina. Izy koa no tena harena ho an’ny firenena sy ny mponina mahantra, satria miteraka asa sy ny harinkarena faobe (PIB). Singanina amin’izany, manome asa maherin’ny 60 tapitrisa ny sehatry ny jono, ary manodidina ny 200 tapitrisa ny asa aterany ho an’ny lalam-pihariana voakasika, ka any amin’ny firenena andalam-pandrosoana ny 60%. Eo koa ny fitrandrahana ny hazo ambolena sy ny fizahantany ara-tontolo iainana.
Hampihena 6% ny PIB
Nomarihin-dRtoa Mari Pangestu fa tsy azo modia tsy hita ny faharinganan’ny tontolo voajanahary mahatonga ny toekarena ho tandindomin-doza. Azo raisina ho ohatra tsara anefa ny any Malezia, isan’ny manan-karena amin’ny harena voajanahary maneran-tany. Mety hampihena 6% ny PIB, hatramin’ny taona 2030, ny fahasimban’ny tontolo mananaina any aminy, araka ny tatitry ny Banky Iraisam- pirenena (BM). Mitovitovy amin’ny voka-dratsin’ny Covid-19, tamin’ny taona 2020, izany fahaverezana izany.
Nisy koa ny fanadihadiana niarahan’ny BM sy ny banky Negara, izay banky foibe any Malezia, milaza fa namatsiana ny asa mikasika ny harena voajanahary ny antsasa-manilan’ny vola nampindramin’ny banky. Ary miankin-doha amin’ny tontolo iainana ny 90%-n’ny fihariana any Malezia.

Andraikitry ny rehetra
Amin’ny ankapobeny, avy amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary ny maherin’ny 50%-n’ny PIB maneran-tany. Avy amin’ny harena anaty rano sy ny ala honko ny 23%-n’ny harena any amin’ny firenena mahantra ary 10% ny any amin’ny firenena misandratra sy mandroso.
Marihina fa avy amin’ny biby na ny vorona ny 75%-n’ny fitondrana ny lahimbony amin’ny vavimbony fampitsiriana ny zavamaniry. Efa ringana daholo anefa ny 40%-n’ireny bibikely ireny.
Manana andraikitra amin’ ny fiarovana ny tontolo mananaina ny mpitondra politika, ny sehatra tsy miankina sy ny daholobe, ary tokony handray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay, hoy ihany Rtoa Mari Pangestu.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: