Miezaka ny hametraka amin’ny toerany ny firaisankinany ireo tanora zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, eo anivon’ny Betsi-Groupe. Tafiditra amin’ny fampandrosoana ny any an-toerana izany. Anisan’ny efa nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo
ny hetsika koltoraly sy fanatanjahantena ka nampiainana mivantana ny lalao famaranana ny “Mondial” ny alahady teo. Notanterahina teo amin’ny lapan’ny Tanànan’i Fianarantsoa izany. Sambany rahateo ny hetsika tahaka izao tao an-drenivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ka nahavory olona marobe, indrindra fa ny tanora sy ny ankizy. Nanafana izany ny mpanakanto maro. Anisany ry Oladad, Odyai, Tsirahona kidodo, Chantal…
Nampanantena ireo mpikarakara fa fanombohana ihany izao. “Ho avy ny fiahiana sosialy hanampiana ny mpiara-belona”, hoy izy ireo. Tsiahivina fa efa tafapetraka ny birao hiasan’ny fikambanana mivondrona hampandrosoana iny faritra iny.
Synèse R.