“Tsy fotoana hanakorontanana ny birao maharitra izao”, hoy ny depiote IRD, voafidy tany Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Hajanirina. Miasa sy miezaka mitady ny hampihodinana io andrimpanjakana io izy ireo. Manana ny fizakan-tena amin’ny tetibola ny Antenimierampirenena.
Misy ireo depiote mikononkonina hanongana ny birao maharitra ary mivoy izany eny amin’ny haino aman-jery. Zony ny mitaky raha hitan-dry zareo fa misy tsy mety. “Tsy zoviana fa namana solombavambahoaka tao amin’ny ankolafin-kery hafa teo aloha mba tsy hilazana hoe ny HVM ny manao izany”, hoy izy. Misy tsy mety ny ataon-dry zareo amin’izany. Lasa fisoketana andrimpanjakana ny filazana ny marikaraman’ny solombavambahoaka, izay mitombina ka lasa tezitra ireo mijery, araka ny fanazavany.
Momba ny hoe misy tsy mangarahara ny fitantanana ao amin’ny birao maharitra, zon-dry zareo ny mangataka an’izany ary efa mazoto ary hanao tatitra ny amin’izany ny kestora voalohany. Amin’izay, samy mahita azy…
Na miainga any amin’ny governemanta ny fangatahana fivoriana tsy ara-potoana raha misy volavolan-dalàna tiany hodinihina; ny faharoa, miainga amin’ny solombavambahoaka ka tokony ho ny antsasa-manilana no manao sonia amin’ny fangatahana. Tsy laharam-pahamehana ny fivoriana tsy ara-potoana ary mety tsy handeha amin’izao. Rehefa tsy mandeha izay, tsy handeha koa izany fanoloana birao maharitra izany.
R. Nd.