FCDR – SR Production : raketina an-tsarimihetsika ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka

Nambara, omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Am­bodivona fa : «Goavana ny tetikasa iarahan’ny tranom-pamokarana horonantsary sy sarimihetsika SR Production sy ny fikambanambe Fonda­tion Céline et Didier Ra­tsiraka (FCDR)». Horaketina an-tsarimihetsika mitohy ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ary vinavinaina ho tafavoaka amin’ny faran’io taona ho avy io ny andiany voalohany. Horonantsary voasokajy ao anatin’ny antsoina hoe “Biopic” izy io satria ankoatra ny famohazana an-tsarimihetsika, hahitana fijoroana vavolombelon’ireo mbola velon’aina niara-niriaria tamin’ity filoham-pirenena teo aloha efa nodimandry ity koa ny vokatra hivoaka. Hofintinina ao anatin’ny 90 minitra intelo ny horonantsary. Ny andiany voalohany hitantarana ny vanim-potoanan’ny 1972 sy 1973. Ny faharoa, 1973-1991, ary ny fahatelo, 1991-2002.
«Hisy ny fifantenana ireo hilalao ny sarimihetsika na “casting” ato ho ato. Antony nifidianana ny Amiraly Ra­tsiraka ny fikasana hampahafantatra ny tantara amin’ireo tanora satria ny zatovo teraka tamin’ny taona 2002 izao tsy nahita izany fitondrana Ra­tsiraka izany fa eo koa ny fametrahana lova ho an’ny taranaka eo amin’izay lafiny izay», raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra hatrany.
«Manodidina ny 100 isa ireo mpilalao hofantenana. Maharitra herintaona eo ha­trany ny fanodinana na “tournage” vinavinaina ho an’ireo horonantsary miisa telo», hoy i Sylvanno Ratsimandresy, hanatontosa ity sarimihetsika ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: