Navoaka ny herinandro teo ireo tanora miisa 152, niofana teo anivon’ny INPF, Ivato. Nisalotra ny anarana “Avo” ity andiany faha-19 ity, rehefa niofanana nandritry ny roa taona. Notolorana ny maripahaizana “Brevet d’Etude Supérieur -BTS” , sy ny “Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée -DFPS” , ary ny “Diplôme de Formation Professionnelle continue-DFPQ’ izy ireo. Anisan’ny sehatra niofananan’izy ireo ny “Froid et Climatisation – Transit et Commerce International – Mécanique Automobile – Finances et Comptabilité – Génie Mécanique et Maintenance Industrielle – Electronique et Informatique Industrielle – Electrotechnique”. Nambaran’ireo nandahan-teny fa anisan’ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena ary mifanentana amin’ny tanjona apetraky ny minisitera izao fanofanana izao. Nankahery ireo mpitantana ny INPF rehetra ny ministra Rahantanirina Gabriella amin’ny fanamafisana ny ezaka efa vita. “Mba ho reharehan’ny eto an-toerana sy ny any ivelany ity ivontoeram-piofanana ity”, hoy izy.
Synèse R.