Nanomboka ny taona 1961 ka hatramin’ny 2020, nitombo 1,2°C ny maripana ankapobeny eto Antananarivo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Météo Malagasy ary nidina hatramin’ny 300 mm ny refin’ny rotsak’orana.
Tsapa fa efa misy fiantraikany eto an-dRenivohitra ny fiovan’ny toetr’andro ary tsy voafehin’ny mponina. Nanontaniana ny fiovan’ny toetr’andro, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Mahatsangy (Meteo antoka hampamiratra tsara an’i Gasikara) momba ny fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo Renivohitra tamin’ity taona ity, hoy ny injenieran’ny meteorolojia, Robinson Johary, iray amin’ireo mpanorina ny Mahatsangy. Teo amin’ny fahasalamana no nahatsapan’ny olona nohadihadiana fa niova ny toetr’andro, manampy izay ny fidiram-bola amin’ny fiainana andavanandro, indrindra ho an’ny fiompiana sy ny fambolena. Voalazan’ny manam-pahaziana manokana amin’ny fandinihana ny fiarahamonina nandrafitra ny ekipa nanao ny fikarohana fa nampitombo ny hantsana eo amin’ny olona manan-katao sy ny sahirana ny fiovan’ny toetr’andro. Afaka niomana mialoha satria manana ny antontam-baovao samihafa mikasika ny fiovan’ny toetr’andro ny olona manam-bola raha variana amin’ny fitadiavana andavanandro ka mizaka izay vokatry ny fiovan’ny toetr’andro fotsiny ireo sahirana. Efa niova hatramin’ny fomba fiainan’ny olona mihitsy satria misy ireo fianakaviana voatery mifindra monina hatrany rehefa fahavaratra fa miakatra ny rano.
Fikarohana voalohany
Fikarohana voalohany momba ny mponina eto Antananarivo sy ny toetr’andro izao tontosa izao niarahan’ny injenieran’ny meteorolojia sy ny mpandinika fiarahamonina Andriaherizo Rojo, ary ny mpampianatra mpikaroka misehatra any amin’ny oniversiten’i Liège (Belzika) Randrianarivelo Maminirina. Tanjona ny hamoahana fehezan-kevitra ho an’ny mpitondra sy ny mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka hanomezana ny vahaolana efa misy ho an’Antananarivo sy ny mponina ao aminy mikasika ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiadiana amin’izany. Navoitran’izy ireo ny tokony hanomezana andraikitra ny firaisamonim-pirenena, mpisehatra amin’ny tontolo iainana mandray andraikitra ary tsy mitady tombony. Ilaina koa ny mampahafantatra ny vahaolana miainga isan-tokantrano amin’ny fihetsika tsotra indrindra manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Noraketina anaty horonantsary ny valin’ny fanadihadiana ary natolotra ny herinandro lasa teo, teny Faravohitra.
Vonjy A.