Fokontany IIIG Hangar : nohazavaina ny elakela-trano

Nidina teny amin’ny fokontany IIIG Hangar ny solombavambahoaka, voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, Dimbindraibe Ratafika, ny faran’ny herinandro teo, nijery akaiky ny fiainam-bahoaka eny an-toerana. Tsikaritra tamin’izany fa maizina ny tanàna ka nitondra fahazavana tamin’ireo elakela-trano izay tena fandehanan’ny mponina ny tenany.
Anjakan’ny tsy fandriampahalemana, noho izany haizina izany teny amin’ny secteur 3 sy secteur 5 ka nametrahana jiro mba hiarovana ny tanàna sy ny mponina.
« Manan-jo hiaina anatin’ny fahatoniana ny vahoaka ary mendrika hahazo hazavàna ny mponina eto amin’ny Boriborintany voalohany ka izany no imasoana ao anatin’ny lalan-tsaina hoe: fanjakana manakaiky vahoaka”, hoy hatrany ny solombavambahoaka Dimbindraibe Ratafika.
Tsiahivina fa ny herinandro teo dia efa nanolotra jiro ho an’ny fokontany 44 mandrafitra ny boriborintany voalohany ihany koa ny tenany hahafahan’ny rehetra mifety anaty tanàna mazava sy milamina amin’izao ankatoky ny Krismasy sy faran’ny taona izao. Tanàna maro no notetezina sy nohazavaina tamin’izany. Hitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanazavana ny elakela-trano any amin’ireo toerana sasany tsy mbola nisitraka izany, ao anatin’ny boriborintany voalohany izay iandraiketany raha ny fampanantenana nataony tamin’ireo mponina teny an-toerana.

Tatiana A

Partager sur: