Hiverina an-tsehatra … :“Efa misy tetikasa ato ho ato”, hoy i Lalie

Aman-taonany maro no tsy niaka-tsehatra i Lalie. Tsy niala lavitra tamin’ny mozika anefa izy nandritra izany. Tapa-kevitra ny hiverina tanteraka kosa ity mpanakanto ity amin’izao…

“Amin’io seho io no ahitantsika taratra ny tohiny”, hoy i Lalie. Fampisehoana izay hataony ny zoma 23 desambra izao, etsy amin’ny Le Galet Manakambahiny io resahany io. “Toerana kelikely aloha, kanefa fanombohana ihany io fa efa misy tetikasa homanina ihany ato ho ato”, hoy izy nanamafy izany. Efa seriny dia seriny anatin’ny famerenan-kira i Lalie sy ny ekipany, andro maromaro izao. Tsy mora ho an’ny mpanakanto rahateo ny mamerina rehefa elaela no niato. Soa fa hodidinin’ny mpankanto mpitendry manan-talenta sady efa mpiaraka aminy amin’ity seho ity. Anisan’ireny i Hery sy Lilia eo amin’ny vata ma­roafitsoka, Andry Blues eo amin’ny gitara, i Haja eo amin’ny gitara beso ary i Nini no eo amin’ny amponga maroanaka, mazava loatra.
“Henjankenjana satria efa ela tokoa. Saingy rehefa nanapa-kevitra ny hiverina aho dia nivoaka tamin’izay ilay fitiavana efa ao anaty. Mila mamolaka kely sisa sady hataoko am-pitiavana izany mba hanolotra ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy. Tsapako tokoa sady nandona ny foko mantsy fa mbola misy tokoa ireo mpankafy miandry izany seho izany”, hoy hatrany ity mpanakanto anisan’ny misongadina amin’ny feony miavaka ity.
Hataon’i Lalie izay hamerenana ireo hira mandrafitra ny rakikira “Mozika tiako”, izay nivoaka tamin’ny taona 2001. “Misy hira vaovao koa mba hataoko ho fanomezana Krismasy”, hoy izy. Haheno sy hahita an-tsehatra indray ny “Eo anilanao”’, “Miandry anareo”, “Fitiava-namana”, “Misy tsikinao izay”, sns, izany ireo mpankafy an’i Lalie hatramin’izay. Irariana ihany koa ny hitohizan’ny fiakarany an-tsehatra sy ny fivoahan’ny vokatra vaovao, araka ny tetikasa izay kasainy.

Zo ny Aina

Partager sur: