Taorian’ny raharaha nafana tao amin’ny kariera ao Sahatona, kaominina Andohajango, herinandro vitsy lasa izay. Tapaka taorian’ny fivorian’ny OMC, afakomaly, fa hakatona ity karieram-bolamena ity. Araka izany, nomena 45 andro ireo olona rehetra ao an-toerana hiomana sy handao izany. Noraisina ity fepetra ity hisorohana ny korontana misesisesy izay miteraka tebiteby amin’ireo mponina ao Sahatona ka hatrany Mandritsara. Manaraka izany koa, natao izany ho fitandroana ny tontolo iainana sy ho fiarovana amin’ny valanaretina tsy ampoizina, hoy ny loharanom-baovao iray. Nohamafisina fa tsy azo atao intsony ny mitrandraka volamena sy manao asa mifandraika amin’izany.
Tsiahivina fa efa indroa nisy disadisa tao amin’ity kariera ity ka nandratrana olona. Ny farany teo, tonga tamin’ny fandrobana sy fandorana trano 34 tafo izany. Nisy mihitsy aza ireo naratra mafy tamin’izany. Amam-polony koa ireo voasambotra taorian’ny savorovoro. Antony nahatonga iry fepetra voalaza etsy ambony iry.
Henintsoa H.