Mondial Qatar 2022 : fanomanana lafo indrindra : 220 miliara dolara

Tsiahivina fa betsaka ny fanomanana ara-toekarena tany Qatar nialoha ny fandraisana ny lalao eran-tany teo amin’ny baolina kitra 2022. Fanamboarana kianja, hotely fandraisam-bahiny, seranam-piaramanidina, fotodrafitrasa maro hafa.
Nanomboka tamin’ny 2012 ny fanomanana fandraisana ny Amboara eran-tany farany teo, ka nandanian’ny fanjakana arabo any Qatar 220 miliara dolara izany tamin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa, raha 14 miliara dolara « monja » ny lany tany Brezila tamin’ny 2014. Io fandaniana tany Qatar io no lafo indrindra hatramin’izay tamin’ny fanomanana ny Amboara eran-tany eo amin’ny baolina kitra.
Raha ny kianja fanaovam-baolina, ohatra, misy fito (7) amin’ireo valo (8) vao namboarina any Quatar nandaniam-bola eo anelanelan’ny 6,5 sy 10 miliara dolara. Teo ihany koa ireo trano fandraisam-bahiny, ka nambaran’ny filohan’ny mpikarakara ny fifaninanana, Nasser Al-Khater, fa mety misy akony 17 miliara dolara izany eo amin’ny toekarena any an-toerana. Vola azo mivantana avy amin’ny amboara eran-tany, na koa avy amin’ny fizahantany any an-toerana.
Nitombo 162 % noho izany ny fahatongavan’ireo vahiny, ary ny harinkarena faobe (PIB) , niakatra 4,6 % tamin’ity taona ity. Ny vola azo tamin’ny vidim-pidirana 360,3 tapitrisa dolara tamin’ireo lalao rehetra 64. Ankoatra izay, mbola misy ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Fifa nahazoany 1,7 miliara dolara.

Ndrina

Partager sur: