Hisorohana ny fiakaran’ny vidin’entana sy hiatrehana ny maitso ahitra, nikaon-doha ireo mpamongady sy mpaninjara tao Androy, ny alahady teo. Nentanin’ny DRICC ao an-toerana ireto mpisehatra amin’ny famarotana ny entana ilain’ny mponina an-davanandro ireto mba hampitombo ny fanafarana entana. Tsy vitan’io, tokony hanangona tahiry mihoatra ny filan’ireo mpanjifa ao Androy koa izy ireo. Ahafahan’ny tompon’andraikitra manara-maso io ezaka io, hisy ny fampiharana izany amin’ny alalan’ny fanambaran’ireo voakasika ny tahiry isam-bolana sy isa-kerinandro. Ny fanarahan’ireo mpamongady sy mpaninjara ireo ny hevitra tapaka nandritra ity fikaonan-doha ity dia anisan’ny hamaha ny olana eo amin’ny fiakaran’ny vidin’entana ao an-toerana. Na izany aza, nampatsiahivin’ny teo anivon’ny DIRCC Androy fa mila apetraka miharihary ho hitan’ny mpanjifa hatrany ny vidin’entana eny amin’ireo mpivarotra. Raha mbola misy kosa ny fanafaran’entana avy ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, nanamafy ireo mpivory fa tsy hisy velively ny fahasahiranana eo amin’ny fanafaran’entana.
Tsiferana R.