Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, afakomaly maraina, teny Maroroho Tsimbazaza, ireo telo lahy mpanao trafikana rongony sady mifoka. Nandritra ny hetsika « opération coup de poing » ataon’ny polisy manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina no nahatrarana ireto tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto. Tratra teo am-pifohana mihitsy izy telo lahy ireto raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Nanamafy hatrany ny polisy fa mitohy ny hetsika opération coup de poing indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy fiandrasana ny taona vaovao izao satria isan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana rehefa manakaiky fety toy izao. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ireo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana satria mbola misy naman’izy ireo karohin’ny polisy.
J.C