Tsy tana ny ain’ny iray tamin’ireo polisy monisipaly voafaokan’ny fiara tra-doza iray tao amin’ny RN5a, PK 385 + 850 tao amin’ny fokontany Sambava Centre, omaly maraina.
Nisy olana tampoka teo amin’ny familiana, nifatratra tamina polisy monisipaly nanatontosa ny fivondronana rehefa fiatombohan’ny herinandro tao amin’ny Fokontany Sambava Centre ny fiara kely iray. Nentina ramatoa, avy any Ambodisatrana nikasa hihazo an’i Ste Thérèse Sambava, ity fiara ity. Teo am-panantontosana ny fanombohana ny herinandro, tsy nisy nanampo inon’inona ireo polisy monisipaly nivondrona hanao ny fananganan-tsaina niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Kinanjo, nipoitra tampoka efa nandeha mafy ity fiara “Hyundai” ity ka nifaoka ny dimy tamin’ireo polisy monisipaly teo anoloan’ny lapan’ny tanàna. Hatairana ny an’ny manodidina. Nifamonjena arak’izany ireo voadona. Voa mafy ny iray tamin’izy ireo ka niezaka nanavotra izany ireo namany. Tsy tana anefa ny ain’ity farany noho ny ratra mafy nahazo azy.
Tsy nahiana ny ain’ny mpamily
Ankoatra io iray namoy ny ainy io, naratra mafy ireo olona efatra nofaohan’ilay fiara. Nentina notsaboina avy hatrany ao amin’ny CHRR Besopaka, Sambava ireto farany. Tetsy ankilany, potika tanteraka ny fiara tra-doza. Naratra ny mpamily saingy tsy nisy nahiana ny ainy. Fotoana vitsy taorian’ny loza, tonga nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana ao an-toerana sy ny mpitsabo. Nozahana ilay namoy ny ainy ka natolotra ny fianakaviany. Nogiazana kosa ilay fiara nahavanon-doza ary notanana atao fanadihadiana ilay mpamily.
Tsiferana R.